Luke 15

1Ary ireo mpamory hetra rehetra sy ny mpanota sasany dia tonga teo amin’i Jesosy mba hihaino Azy. 2Nifampimonomonona ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna, niteny hoe: “Io lehilahy io dia mandray mpanota, ary miara-mihinana amin’izy ireo mihintsy aza.”

3Jesosy nanao izao fanoharana izao tamin’izy ireo, niteny hoe: 4“Iza aminareo, raha manana ondry zato izy ary avy eo very ny iray amin’izy ireny, no tsy handao ny sivy amby sivy folo any an-tany efitra, ary handeha hitady ilay iray very mandra-pahitany azy? 5Ary rehefa hitany izany, dia apetrany eo an-tsorony ary mifaly izy.

6Rehefa tonga ao an-trano izy, dia antsoiny avokoa ireo namany sy ireo mpiara-monina aminy, miteny azy ireo hoe: ‘Mifalia miaraka amiko, fa hitako ilay ondriko very.’ 7Toy izany koa, miteny aminareo Aho, fa hisy fifaliana any an-danitra nohon’ny mpanota iray izay mibebaka, mihoatra noho ireo olo-marina sivy amby sivy folo izay tsy mila mibebaka.

8Na iza no vehivavy izay manana farantsa kely folo, raha very ny farantsa iray, no tsy andrehitra ny jiro, hamafa ny trano, ary hitady amim-pahazotoana mandra-pahitany izany? 9Rehefa hitany izany, dia antsoiny avokoa ireo namany sy ireo mpiara-monina aminy, ka hiteny hoe: ‘Mifalia miaraka amiko, fa itako ilay farantsa kely iray izay very.’ 10Toy izany koa, Izaho milaza aminareo, misy fifaliana eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra amin’ny mpanota iray izay mibebaka.”

11Avy eo Jesosy niteny hoe: “Nisy lehilahy iray nanan-janaka roa lahy, 12ary ny faralahy tamin’izy ireo niteny tamin’ny rainy hoe: ‘Ray ô, omeo ahy ny anjara harena izay tokony ho ahy.’ Koa dia nozarainy tamin’izy ireo ny fananany.

13Tsy ela taorian’izay, ilay faralahy nanangona ny anjarany rehetra ka nandeha tamin’ny firenena iray lavitra teo, ary tany izy no nandany fahatany ireo harenany rehetra tamin’ny fiainana maditra. 14Ary rehefa laniny avokoa ny rehetra, dia nisy mosary lehibe niely tamin’io firenena io, ka nanomboka tao anatin’ny tsy fahampiana izy.

15Nandeha izy ary nikarama tamin’iray tamin’ireo mponina tao amin’io firenena io, izay nandefa azy tany amin’ny sahany mba hamahana kisoa. 16Te hihinana mafy ireo sakafo fihinan’ny kisoa izy, satria tsy nisy olona nanome azy na inona na inona.

17Fa rehefa tonga saina ilay faralahy, dia niteny izy hoe: ‘Firy amin’ireo manompon’ny raiko no manana hanina mihoatra ny sahaza, ary ity izaho, matin’ny hanohanana! 18Hilaozako eto ka ho any amin’ny raiko aho, ary izaho hiteny aminy hoe: “Ray ô, efa nanota tamin’ny lanitra aho, sy teo imasonao. 19Tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao intsony aho; ataovy toy ny iray amin’ireo mpanomponao aho.”

20Noho izany nandeha ilay faralahy ka nankany amin’ny rainy. Raha mbola lavitra izy, dia hitan’ilay rainy, ary tohina nangoraka, ka nihazakazaka, ary namihina sy nanoroka azy. 21Ilay zanany lahy niteny hoe: ‘Ray ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo imasonao aho. Tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao aho.’

22Ilay ray niteny tamin’ny mpanompony hoe: ‘Ento faingana ireo akanjo tsara indrindra, ka ampiakanjoy azy, ary asio peratra ny tanany, sy kapa ny tongony. 23Avy eo ento ilay zanak’omby matavy ka vonoy izany. Andao isika hankalaza amin’ny lanonana! 24Satria ny zanako lahy dia maty, ary ankehitriny velona indray. Very Izy, ary ankehitriny dia hita indray.’ Avy eo dia nanomboka nikorana izy ireo.

25Ary ilay lahimatoany dia tany an-tsaha. Nony tamy ary nanatona ilay trano izy, dia naheno mozika sy dihy. 26Niantso ny iray tamin’ireo mpanompo izy ary nanontany azy hoe mety ho inona izany zavatra izany. 27Ilay mpanompo niteny taminy hoe: ‘Nody ato an-trano ny rahalahinao ka novonoin’ny rainareo ilay zanak’omby matavy, satria tonga soa aman-tsara izy.’

28Tezitra ilay lahimatoa, ary tsy nety niditra, dia nivoaka ny rainy, ary niangavy azy. 29Saingy namaly ilay lahimatoa ary niteny tamin’ny rainy hoe: ‘Jereo, efa an-taonany maro no nanompoko anao, ary mbola tsy nandika ny lalànao aho, ary ianao tsy mbola nanome na dia zanak’osy nafahako nikorana niaraka tamin’ireo namako aza, 30kanefa rehefa tonga ny zanakao lahy, izay nandriatra ny fanananao tamin’ny mpivaro-tena, dia novonoinao ho azy ilay zanak’omby nafahy.’

31Hoy ilay ray taminy hoe: ‘Anaka, ianao dia miaraka amiko foana, ary izay rehetra ahy dia anao. Kanefa rariny ho antsika ny mikorana sy mifaly, satria ity rahalahinao dia maty, ary ankehitriny dia velona indray; very izy, ary ankehitriny dia hita indray.’”

32

Copyright information for PltULB